Teny iditra entana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Zavatra entina amin' ny tanana: Mitondra entana mavesatra izy fa ampio
Ireo zavatra tsy misaraka amin' ny tena raha mivahiny na mifindra transi (akanjo, firakofana, fanaka...): Aza hadinoina ny entanareo rehefa mivoaka ny fiaran-dalamby
Izay amidy ao ampivarotana (matetika anefa amin' ity hevitra ity, ampiana ny teny hoe Varotra): Aza kasikasihina na entako, ny entam-barotro, raha tsy hividy ianao
Olona miankina amin' ny tena ka velomina sy iadidiana: Entana ho azy tokoa ireo iray tampo amin' ny vadiny mipetraka ao aminy
Mitovy hevitra: loloha
Ny faty entina halevina lavitra: Napetraka tao an' efitra madio ny entana raha vao tonga
Fehezan-javatra atao indray mitondra: Kitay telo entana (atao koa hoe anentana) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A burden; baggage [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Fardeau, bagage, marchandise [1.3, 1.8]
 Paquet, ballot, effets, charge
Parents ou amis pauvres qu'on prend à sa charge [1.3]
Ohatra 
1Dia efa tahaka izao ny toetr' ireo entana ireo? [2.471]
2Ary inona kosa ity entana anaty gony nentinareo niditra ity ? [2.472]
Haiendriteny 
Tsotra : entana, entako, entanao, entany, entantsika, entanay, entanareo, entan', entan-, entam-, enta-
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Mpanahaka  anentana
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/23