Teny iditra entanina (entana)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Aingaina, bataina
Hetsehina tampotampoka [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on soulève, qu’on transporte
Que la joie ou la peur fait tressaillir, saisi de douleur [1.3]
Ohatra 
1noentaniny mbola tsy ritra ny vary [1.1]
2noentanin' ny hambompo izy ka nahavita zavatra tsy nampoizina [1.1]
3tsy azoko entanina io vata io (je ne puis pas soulever cette caisse) [1.3]
4nentanin' ny hafaliana ny foko (mon coeur tressaillit de joie) [1.3]
5nentanin'ny tahotra aho (je tressaillis de peur) [1.3]
6nentanin' ny alahelo aho, raha nandre ny raiko maty (j’ai été saisi de douleur en apprenant la mort de mon père) [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : entanina, entaniko, entaninao, entaniny, entanintsika, entaninay, entaninareo, entanin', entanin-, entanim-, entani-
Ny lasa : noentanina, noentaniko, noentaninao, noentaniny, noentanintsika, noentaninay, noentaninareo, noentanin', noentanin-, noentanim-, noentani-
Ny hoavy : hoentanina, hoentaniko, hoentaninao, hoentaniny, hoentanintsika, hoentaninay, hoentaninareo, hoentanin', hoentanin-, hoentanim-, hoentani-
Filaza mandidy : entano
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20