Teny iditra entina (tondra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Ilazana zavatra vimbinina na sakelehina na babena na lolohavina... ka afindra toerana miaraka amin' ny tena: Ento atỳ ny solomasoko ~ Efa nentiny am-babena nankany amin' ny hopitaly ny zanany
Lasa, paohina: Nentin' ilay kary iny ny satroko ~ Nentin' ny rivotra ny tafontrano
Fehezina: Entin' ny fanjakana ny vahoaka
Anaovana: Akanjo madio no entin' ny olona amin' ny andro fety
Ampiasaina: Famaky no entiny mikapa taolana [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Porté, emporté [1.3, 1.5]
 Apporté, enlevé, amené, conduit, transmis, employé, dépensé, dont on se sert
Gouverné, géré, poussé [1.3]
 Charrié, emmené [1.5]
Ohatra 
1andao ianareo hiaraka amiko fa hoentiko any amin' ny polisy ity anio. [2.4]
2akanjo betsaka no nentiny tany an-tsena (il a porté au marché beaucoup d’habits) [1.3]
3nentiny tao an-tranony ny bokiko (il a emporté mon livre chez lui) [1.3]
4nentiny ilay zavatra nangatahiko (il m'a apporté ce que j’avais demandé) [1.3]
5nentin'ny rivotra ny satroko (le vent m’a enlevé mon chapeau) [1.3]
6nentiny taty amiko ny alikako very (il m’a amené le chien que j’avais perdu) [1.3]
7nentiny tao an-trano fianarana ny zanako (il a conduit mon enfant a l’école) [1.3]
8fanao nentin-drazana izany (c’est un usage transmis par les ancêtres) [1.3]
9vato voapaika ihany no nentiny nanao ny tranony (il n’a employé que des pierres de taille pour bâtir sa maison) [1.3]
10be dia be ny vola nentiko nanao ny tranoko (j’ai dépensé beaucoup d’argent pour bâtir ma maison) [1.3]
11ny fahefanao no tokony hoentinao hanao soa (vous devez vous servir de votre pouvoir pour faire du bien) [1.3]
12tsy entiny tsara ny vahoaka (il ne gouverne pas bien le peuple) [1.3]
13nentin' ny fahantrana izy ka nangalatra (il a été poussé par la misère et a volé) [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : entina, entiko, entinao, entiny, entintsika, entinay, entinareo, entin', entin-, entim-, enti-
Ny lasa : nentina, nentiko, nentinao, nentiny, nentintsika, nentinay, nentinareo, nentin', nentin-, nentim-, nenti-
Ny hoavy : hoentina, hoentiko, hoentinao, hoentiny, hoentintsika, hoentinay, hoentinareo, hoentin', hoentin-, hoentim-, hoenti-
Filaza mandidy : ento
Kamban-teny 
Lohateny Kabary amin' ny fampisehoan-dambamena ho entin' ny maty (Rasamuel Maurice)
Ny harivolana na lahateny nentin-drazana (Razafiarivony Michel)
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/11