Teny iditra Eny, alina
Singan-teny eny ; alina
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Randja Zanamihoatra
Lahatsoratra 
- Alina ! tsia, ry mpiambina malala ! mbola miafitra etsy aniva
Ny salovana somamby niafaran’ny taratr’andro
Mitsontsorika mankany :

Mbola izao manako izao ny fara-ezaky ny antsiva
Miala aina moramora eny an-tsefa-draho-mihandrohandro :
Ny hariva mitomany !

Injao manetsaketsa maika ny mpitoto sy ny hirany,
He, ny vodilanitra aza mbola miezaka hanohitra
Ito haizina eny an-dalany ;

Izatsy zazavavy izatsy mbola miandry ny fidirany
Ka mitazana tsy miala, eny am-baravaram-bohitra
Ny fiavin’ny malalany.

(Omaly koa - toy izao - ..... .... ........... )
Eto anivo izao ny alina !

Mangina sy mamelovelo ny tokotanin’ny tanàna...
Oriory mahagaga izato ambain’ny habakabany
Manalona etsy ambony ;

Lasalasana ambiroa irony morona fitana
Nony very poka teo izany feon’ny koratabany.
Eny, alina tokoany !

Kintan-kely mahatsiahy sisa mantsora ny aizina !
Injay ny “zovy mitarazo” sy ny rodorodom-mpiambina
Misafo manodidina

Fa mitambatra ho ao, mitaria tsy azo laizina
Ao anaty torimaso ... ; injao ny nofy misakambina
Ny vetso tsy hanidina ...

Alina hafahafa ! Alina tsy haiko ambara !
Alin-tsambatra ? tsy fantatro ! alina mamelovelo
Fiaretan-tory koa...

Niarina aho... dia nisento ka niampofo ny Tantara ;
Injay nanevitevika ahy, izany sintan’alahelo...
Eny, alina tokoa !

Mpiambina ô ! ny zovinao manatsafa ny any ho any !
O ry foko koa injao fa mamakafaka ny alina !
‘Ndeha hiaraka hisaina

Ka handrendrika ny feo ho “FANAHY MAMINANY”
Sao mba fantatsika ety ny “zava-miafina sy lalina”
Mandra-piavin’ny Maraina.
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/20