Teny iditra eso
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fanaovana tsinontsinona, fanamavoana: Tsy tantiko ny eson' ny mpanankarena ka aleoko mitokantokana atỳ ambanivohitra
Mitovy hevitra: famotsifotsiana ~ fanatsizarizariana ~ fanazimbana ~ fanebahana ~ tebaka ~ zimba
Fanarabiana, famazivaziana, dokadoka hamazivaziana, ihomehezana: Isaky ny mandalo ilay mandringa dia matin' ny eson' ny zanakao amin' ny farahehy
Mitovy hevitra: famazivaziana ~ famosobosorana. ~ haraby ~ vosobosotra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Scorn, mockery [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Mépris, moquerie, raillerie [1.3]
Ohatra Niala teny amin' ny endriny ny eso, fa toa nanganohano aza no fijeriko ny tavany. [2.471]
Voambolana 
Sampanteny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/20