Teny iditra fafana (fafa)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Esorina ny loto, ny fako amin' ny zavatra na toerana iray: Fafao tsara ny efitrano fandriana
Faohina: Efa nofafako ny latabatra
Alaina tsy misy avala na kely aza: Nofafan' ny mpangalatra ny entanay tany ambanivohitra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be swept [1.2, 1.7]
 To be wiped, to be cleared off [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on balaie [1.3, 1.8, 1.5]
 Qu'on essuie [1.3, 1.8]
 Qu'on raffle: Nofafan' ny tompon-trosa ny fananako rehetra (Mon créancier a rafflé tous mes biens) [1.3]
Ohatra Ary isaky ny maloto, dia tsy maintsy fafana. [2.332]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : fafana, fafako, fafanao, fafany, fafantsika, fafanay, fafanareo, fafan', fafan-, fafam-, fafa-
Ny lasa : nofafana, nofafako, nofafanao, nofafany, nofafantsika, nofafanay, nofafanareo, nofafan', nofafan-, nofafam-, nofafa-
Ny hoavy : hofafana, hofafako, hofafanao, hofafany, hofafantsika, hofafanay, hofafanareo, hofafan', hofafan-, hofafam-, hofafa-
Filaza mandidy : fafao
Kamban-teny 

Teny iditra fafana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Bezanozano, Sihanaka, Taimoro] Hazofisaka [1.78]
  [Tanala] Hazo fisaka fanaovana gorodon-trano [1.78]
 Hazo fisaka natao solontsolaitra nanoratana tamin' ny andro taloha: Nasiana menaka kely aloha ny fafana, isaky ny anoratana, dia norarahana vovoka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A piece of board for writing on, a lesson-board, a blackboard. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Tablette des anciens pour écrire [1.3]
  [Tankarana] Planche [1.19, 1.5, 1.13]
  [Tankarana] Madrier mince. [1.19]
Ohatra Nanao fafana no raharahan-dRatompokolahy fahavelony. [2.529]
Kamban-teny 

Teny iditra fafana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fofona manitra mamerovero mandraraka eran' ny toerana izay [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Odeur [1.3]
Haiendriteny 
Tsotra : fafana, fafako, fafanao, fafany, fafantsika, fafanay, fafanareo, fafan', fafan-, fafam-, fafa-, -pafana
Sampanteny 
 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11