Teny iditra fahadiovana (dio)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Toetran' ny zavatra madio, tsy misy loto: Mahafinaritra ny fahadiovan' ny tanàna [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Cleanliness, purity [1.2, 1.7]
Fanazavàna teny frantsay Propreté [1.3, 1.8, 1.13, 1.5]
 Pureté [1.3, 1.8]
 Clarté, innocence [1.3]
Ohatra 
1Ilaina ihany koa ny fampahatsiahivana ny valalabemandry eo amin' ny fahadiovana sy ny fahavarana ny toerana onenana. [2.470]
2Nahafinaritra ahy i Masy, kanefa dia izay ihany, fa tsy mbola fantatro taminy ny tena fitiavana, na dia nanosy ny fahadiovany aza aho. [2.471]
Haiendriteny 
Tsotra : fahadiovana, fahadiovako, fahadiovanao, fahadiovany, fahadiovantsika, fahadiovanay, fahadiovanareo, fahadiovan', fahadiovan-, fahadiovam-, fahadiova-
Tovonana : -pahadiovana, -pahadiovako, -pahadiovanao, -pahadiovany, -pahadiovantsika, -pahadiovanay, -pahadiovanareo, -pahadiovan', -pahadiovan-, -pahadiovam-, -pahadiova-
Tovy hevitra hadio ~ hadiovana
Ohabolana 
Lahatsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20