Teny iditra fahavaratra (faha, varatra)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fizaran-taona manarakaraka ny lohataona, manomboka amin' ny novambra ka miafara amin' ny zanvie, izay ahitana ny orana avy tsikelikely aloha, dia mampireny miaraka amin' ny varatra izay mikotrokotroka izaitsizy [Rajemisa 1985]
Fanazavàna teny anglisy The rainy season, the summer [Richardson 1885 takila 146]
 summer, the thunderstorm season [Hallanger 1973]
Fanazavàna teny frantsay l'été austral, la saison des temps orageux [Hallanger 1974]
Voambolana 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Mpanahaka  lohataona ~ fararano ~ ririnina
Ohatra 
1Ary ny taona tamin'izao dia fahavaratra. [Cohen-Bessy: Rakotovao, takila 180]
2Amin'ny fahavaratra no ihadiana ny lavaka. [FOFAFIPE: Rosovola, takila 21]
3asaina mihosy fahavaratra, mararin' ny hanatra; [Dahle: Angano, takila 240]
Teny nalaina 

Teny iditra Fahavaratra
Sokajin-teny anarana (lohatenin' boky na seho an-tsehatra)
Mpanoratra Ratsifandrihamanana Clarisse, 1965
Fanonta printy 1965. Imprimerie Faneva. Takila: 150.
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra
Lahatsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2021/09/23