Teny iditra fahefana (efa)
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Fahazoana manao zavatra: Tsy manampahefana hitsara ahy ianao
¶ Hery ananana: Loza ny fahefan' ny vola
¶ Fahazoana mandidy: Ny fahefan' ny ray
¶ Fanjakana, fifehezana: Nisy fotoana nampaneken' ny firenena vitsivitsy ny antsasak' izao tontolo izao teo ambany fahefany [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   power, authority; [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   puissance, autorité [Hallanger 1974]
Ohatra  
1Feno fahefana sy fahavitrihana indray ny feony. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 153]
2Io no nankasitrahin' ireo nandray ny fahefana teto. [Andraina: Mitaraina, takila 254]
Ny bikany  
fahefana
fahefako
fahefanao
fahefany
fahefantsika
fahefanay
fahefanareo
fahefan'
fahefan-
fahefam-
fahefa-
-pahefana
-pahefako
-pahefanao
-pahefany
-pahefantsika
-pahefanay
-pahefanareo
-pahefan'
-pahefan-
-pahefam-
-pahefa-
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Nohavaozina tamin' ny 2013/12/17