Teny iditra fakam-panahy
Singan-teny faka ; fanahy
Sokajin-teny kambanteny
Fanazavàna teny malagasy Teny ilazana ny fitaomana ataon' ny fanahy ratsy mba hampahalatsaka ny olombelona amin' ny ratsy: Tsy nahatohitra ny fakam-panahy izy ka namilivily ny volam-bahoaka
Mitovy hevitra: fitaoman-dratsy
Zavatra mitarika na mitaona mafy ny tena: Fakam-panahy lehibe ho azy io zava-pisotro eo ambony latabatra io [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Tentation [1.5]
Ohatra 
1Mandositra ny fakampanahy aho! [2.5]
2Hahatohitra ny fakampanahy ve hianao rahavako, ka hahandry ny fiverenako? [2.499]
3Fa na inona na inona no hevitra momba izany, dia hita mazava fa ao ny fakampanahy mamely antsika [1.38]
4Voan' ny fakampanahy ny sasany ka nangalatra ny volan' ny namany hividianany mokary [2.356]
Tovy hevitra fitaoman-dratsy
Lahatsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2024/03/08