Teny iditra famakiloha
Singan-teny famaky ; loha
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Karazam-bibikely mitovitovy habe amin' ny valalavao saingy lava vatana kokoa, amin' ny antokon' ny Orthoptères. Henjana ny elany ambony ary manify makarakara toy ny elatra ambany amin' ny azy. Lava be ny tendany. Ny tanany roa anoloana dia sady lava no lehibe sy mantajaka, io no fandraisany haza, ets., dia biby madinika samy hafa. Misy karazany maro izy: ny sasany borobory ny lohany ary ny masony roa dia mivoaka avy eo an-daniny avy, karazany vaventy ireo. Ny sasany kosa indray dia lava sady maranitra ny lohany, toy ny valala Tsindakana. [1.10]
 Biby maitsomaitso sahala amin' ny valala, ary misy toy ny famaky eo amin' ny vavany, izay nahatonga ny anarany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A species of mantis [1.2]
Fanazavàna teny frantsay La mante prie-Dieu [1.3]
Voambolana 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/11/25