Teny iditra famangiana (vangy)
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   fitsidihana; fitsapana alahelo, fanaladiana [Rajemisa 1985]
   fitsidihana havana, namana, toerana: Aza hadinoina ny famangiana ny any an-tanàna [Akademia 2005]
Famaritana anglisy   a visit [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   l'action de visiter, la visite, la cause [Abinal 1888]
   visite [Rajaonarimanana 1995]
Ohatra  
1Koa rehefa vita ny famangiana dia mody. [Razoharinoro: Soratra, takila 190]
2Vitsy ihany tao anatin' ny taona iray ny famangiana na fanasana toy ireny. [Ravelomanana: Lalana, takila 151]

Teny iditra famangiana (vangy)
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   vola entina mamangy: Ohatrinona ny famangiana hataontsika? [Rajemisa 1985]
   fitsapana alahelo an' ireo tra-pahoriana na tra-boina na mana-manjo ho mari-piaraha-miory: Rahampitso ny mpifanolo-bodirindrina no hanao ny famangiana [Akademia 2005]
Famaritana frantsay   les cadeaux de visite [Abinal 1888]
   cadeaux à l'occasion d'une visite [Rajaonarimanana 1995]
Ohatra   Ny manan-kaja teto an-tanàna dia samy nidodododo hamangy azy sady nitondra famangiana : ondry, vorombe. [Rabary: Daty, takila 36]

2018/10/30