Teny iditra fanaperana (tapitra)
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Famitana, fandoavana (vola) hatramin' ny farany: Anio no fanaperana ny trosanao
¶ Tsy fisian-kilemana haratsiana hotsinina na kely akory aza; vita tomombana, tanteraka: Tsy misy hokianina ny hiran' ny ankizy anikeheo, tena fanaperana marina
Mitovy hevitra: ary fenitra ~ baka lany sahaza ~ farafarampony ~ lani-datsaka ~ lavorary ~ mangidy vato ~ maty paika ~ safatsiroa ~ tanteraka ~ tapitra efatra ~ tapitra ohatra ~ tokana aman-tany ~ tomombana ~ tonga lafatra ~ tsy manam-paharoa ~ tsy manan-tsahala ~ tsy misy toa azy ~ tsy misy tomika ~ tsy roa aman-tany [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   the end; the utmost perfection [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   L'action d'achever, de compléter, l’instrument, la cause [Abinal 1888]
   la fin; arrivé à la perfection [Hallanger 1974]
Ohatra  
1Ny hira, ny kabary, ny dihy, ny feon-dikanga sy ny doboka amponga, izay samy mbola tsy hitako daholo, izany no fanaperana amin' ny fampisehoana tamiko. [Andraina: Mitaraina, takila 22]
2Nony fe-ho tovovavy, indro miara fanaperana. [Dox: Mirahavavy]
3Ny tiako holazaina aminao, dia ity : tsy mbola nisy fomba firaisa-monina fanaperana - raha nisy izany, dia efa foana e! [Andriamalala: Zazavavindrano, takila 86]

Teny iditra fanaperana (tapitra)
Sokajin-teny   anarana
Dikanteny frantsay   L'action de salir, l’instrument, la cause [Abinal 1888]

Teny iditra fanaperana (tapitra)
Sokajin-teny   mpamaritra
Dikanteny frantsay   arrivé à la perfection, hors concours [Abinal 1888]

Nohavaozina tamin' ny 2016/08/22