Teny iditra fandavana (la)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Filazana fa tsy marina: Tsy mampaninona ahy ny fandavanao ny hevitro fa ny hevitra moa samy manana ny azy
¶ Tsy fanekena: Avelanao hitsangantsangana ve izahay? -- Tsy misy fandavana e
¶ Fitsipahana zavatra iray tsara lazaina fa diso: Ny fandavan' ny olona ny fisian' Andriamanitra no mampanaram-po azy
¶ Filazana ampahibemaso fa tsy mankasitraka: Angatahina amin' ny olona atao batemy na batisa ny fandavany an' i Satana [Rajemisa 1985]
 Ny TSI-FANDAVANA anie ka tsy fanekena tsy akory e! [Ravelojaona 1937]
Fandikana anglisy refusal, disapproval, denial [Hallanger 1973]
Fandikana frantsay le refus, le renoncement, le reniement [Abinal 1888]
 refus, renoncement, reniement [Rajaonarimanana 1995]
Voambolana 
Ohatra Fandavana ankitsirano no nantenaiko hambarany, kinanjo raikitra tsy ahoan-tsy ahoana teo ny varotra an' arivony. [Andriamalala: Zazavavindrano, takila 42]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31