Teny iditra fandrihana (fandrika)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Samborina amin' ny fandrika, amin' ny zavatra amboarira mba hahazoana am-pitaka: Nofandrihana no nahazoana io vorona io
Tanana mialoha amin' ny vola: Tsy azonao amidy intsony ireto vary ireto fa efa nofandrihako [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be ensnared, to be entrapped. [1.2]
 To be trapped; to be subscribed to (of a periodical); to be reserved (of a hotel room, a seat, etc); see mamandrika, famandrihana [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on piège: qu'on abonne; qu'on retient (se dit d'une chambre, une place, etc) [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : fandrihana, fandrihako, fandrihanao, fandrihany, fandrihantsika, fandrihanay, fandrihanareo, fandrihan', fandrihan-, fandriham-, fandriha-
Ny lasa : nofandrihana, nofandrihako, nofandrihanao, nofandrihany, nofandrihantsika, nofandrihanay, nofandrihanareo, nofandrihan', nofandrihan-, nofandriham-, nofandriha-
Ny hoavy : hofandrihana, hofandrihako, hofandrihanao, hofandrihany, hofandrihantsika, hofandrihanay, hofandrihanareo, hofandrihan', hofandrihan-, hofandriham-, hofandriha-
Filaza mandidy : fandriho

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20