Teny iditra fanofanana (ofana)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy famolavolana [SLP 1986]
 Fanatsobohana metaly mivaivay ao anaty rano na diloilo mangatsiaka, mba hahamafy azy
¶ Famolavolana mpiasa amin' ny alalan' ny fampianarana fanampiny mba hanarahany ny toetr' andro: Tokony hanaroka fanofanana isantaona ny mpampianatra [Rajemisa 1985]
Fandikana frantsay formation [SLP 1986]
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Ny Fanjakana dia mandray ho adidy ny fampivoarana ny fanofanana arak' asa. [Fanjakana: Lalam-panorenana]
2Hataonao ahoana ny mpampianatra FRAM izay iaraha-mahalala ny tsy fahampian' ny fanofanana azy? [SeFaFi ]
3Faman-gian-tsekoly sy fanofanana mpampianatra sy mpitaiza kilasimandry teto an-toerana no niandraiketako. [Ravelomanana: Lalana]

Teny iditra fanofanana
Sokajin-teny anarana
Fandikana frantsay  [Tankarana] talisman contre la foudre, comme fandemy. [David 1952 (takila F)]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31