Teny iditra fanomezana (ome)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fahafoizana: Misy fanomezan-dra eny amin' ny hopitaly anio
¶ Zavatra omena: Sarobidy itỳ fanomezana nataonareo itỳ fa misaotra indrindra [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy a gift [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay l'action de donner, le présent, le don [Abinal 1888]
Famaritana frantsay don [Hallanger 1974, SLP: Voambolana]
Famaritana frantsay cadeau [Hallanger 1974]
Ohatra 
1Fanomezana lanja ny mpikaroka eo an-toerana; [FOFAFIPE: Haivola, takila 98]
2Ary tsy mety ho hadinonay ny fanomezana izany. [Cohen-Bessy: Rakotovao, takila 302]
3Hafaliana moa ny azy eo am-pandraisana izany fanomezana samihafa izany. [Randriamiadanarivo: Sikajy, takila 24]
Endriteny 
fanomezana
fanomezako
fanomezanao
fanomezany
fanomezantsika
fanomezanay
fanomezanareo
fanomezan'
fanomezan-
fanomezam-
fanomeza-
-panomezana
-panomezako
-panomezanao
-panomezany
-panomezantsika
-panomezanay
-panomezanareo
-panomezan'
-panomezan-
-panomezam-
-panomeza-
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Teny nalaina 
Lahatsoratra 

2018/11/30