Teny iditra fanompoana (tompo)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Raharaha na asa heverina ho adidy tsy maintsy atao araka ny maha-mponina, na mahavahoaka, na mahafirenena ary tsy andraisan-karama [1.10]
 Fanaovana ny raharahan' olona toy ny mpikarama
Raharaha an-tery ho an' ny mpanjaka fahiny
Raharaha na asa heverina ho adidy tsy maintsy atao araka ny maha-mponina na maha-isam-bahoakan' ny firenena ny tena, nefa tsy andraisankarama. [1.1]
 Asa maimaimpoana tsy maintsy ataon'ny olom-pehezina [1.13]
Fanazavàna teny anglisy Servitude; services rendered; forced labor under former government regulations [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Corvée [1.8, 1.13]
 Servitude; action de servir [1.8]
Ohatra 
1fa nomenay azy hataony amy ny fanompoana [2.59]
2fa ianareo mandova fanompoana, izaho mandova fanjakana [2.298]
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra fanompoana (tompo)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fanajana (olona) fatratra sy fanekena ny sitrapony: Fanompoana an' Andriamanitra [1.1]
Ohatra Eo amin' ny fanompoana ny Tompo ihany no aina no fetra [2.356]
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/07