Teny iditra fara
Sokajin-teny   anarana na tambinteny
Famaritana malagasy   Taranaka, dimby, solofo (tsy fampiasa irery afa-tsy amin' ny hoe "Arahaba nomen' Andriamanitra ny fara, mahazo fara". Fa matetika dia miaraka amin' ny teny hoe "dimby": Hoderain' ny fara aman-dimby ny olona nahavita soa toa azy
¶ (ampiasaina atao eo alohan' ny anarana). Amin' ny fotoana na amin' ny laharana aoriana indrindra: Nanao fara jery ny zanany izy dia lasa
¶ Amin' ny laharana ambony indrindra: Tonga amin' ny fara voninahitra izy (tsara homarihina fa mitovy amin' ny hoe "farany" ihany ny hoe "fara", saingy ny "fara", atao alohan' ny anarana, ny "farany" kosa eo aoriana: farajery, fijerena farany [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   the last; offspring, children, an heir, succession, progeny. [Ar. fark, pulus (=furar). Comp. the Heb. par, a calf, a young bull; Germ. farr; also the Heb. bar, son, and the whole group of words from the same root (as parah=barah; Sansk. bhri (Zend. bara); Gr. phero; Lat. fero=Eng. bear, etc.] [Richardson 1885]
   the last; the supreme; a descendant, a child [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   final, dernier, suprême [Abinal 1888]
   fin [Antesaka] [Deschamps 1936]
   dernier-né [Rajemisa: Vakoka]
   le dernier; descendant, descendance; cf. farana [Hallanger 1974]
Voambolana  
Sampanteny  
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  
Haianarantany   Anaran-toerana misy itý teny fara itý (5)
Ampararano
  Ampararanokely
  Farafangana
  Faravohitra
  Tsarafara
 
Fifanahafana   farana

Teny iditra fara
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Fepetra ifanarahana mialoha amin' ny fifanekena ifanaovana, [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay   ( farafara plus usité) les stipulations, les obligations, les conditions préalables d'un pacte, d'un contrat, les préliminaires d'un traité [Abinal 1888]
Sampanteny  
Fitovian-keviteny   farafara

Teny iditra fara
Sokajin-teny   Tsy lazaina
Dikanteny anglisy   [Richardson 1885]
Sampanteny  

Teny iditra fara
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   fijinjana vary, fararano [Antemoro] [Rakotosaona 1972]
Teny nalaina  

Teny iditra fara
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   ampinga, aro [Antemoro] [Rakotosaona 1972]
   ampinga [Antesaka] [Rakotosaona 1972]
Dikanteny frantsay   bouclier [Antesaka] [Deschamps 1936]
Voambolana  

Teny iditra fara
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Tilikambo avo misy fanala mirehitra amin' ny alina manondro ny lalana tokony halehan' ny sambo na ny fiaramanidina [Rajemisa 1985]
Ny fihaviany   Frantsay: phare.

Teny iditra Farà
Sokajin-teny   anaran-tsamirery (ara-baiboly) [firaketana]
Dikanteny anglisy   Phurah [Baiboly]
Dikanteny frantsay   Pura [Baiboly]
Voambolana  
Fitovian-keviteny   Pora
Teny nalaina  

Nohavaozina tamin' ny 2015/09/07