Teny iditra farango
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   [Tsimihety] Taolana lavalava noranitana ny tendrony roa, atao solom-pintana ka eo antenatenany no asiana ny kofehy: Indray takariva nandrahona: / Taitra itỳ sahona. / Fa tena mangeja, farango mandratra / Namely ny tratra (Job. Rakotovao) [Rajemisa 1985]
   fononteny mahitsy fampiasa rehefa mandinika toe-peo [SLP: Voambolana]
Famaritana anglisy   a hooked instrument, a hook, a boat-hook. It differs from faraingo in that it means a hook made intentionally. [Richardson 1885]
Famaritana frantsay   [Tankarana] hameçon, croc. [David 1952 (takila F)]
   crochet, instrument crochu. [Rajaonarimanana 1995]
Famaritana frantsay   crochet [SLP: Voambolana]
Ohatra   Raha tefena ny farango
ka amboarina ny fintana
ny amalona no anaovana azy
raha velarina ny fandrika
ny vorona no anaovana azy
[Fox: Hainteny, laharana 289]
Fitovian-keviteny   farengo
Teny nalaina  
Fifanahafana   { } farango lava
   " « » farango sosona
   farangon' ilehiloza

Nohavaozina tamin' ny 2017/03/10