Teny iditra fidina (fidy)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Alaina izay tiana, alaina izay tsara fantenana, jobonina, tsongoina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be chosen [1.2, 1.7]
 To be selected [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on choisit [1.8]
Ohatra 
1I Madagasikara no fidiko amin' ny tany rehetra [1.1]
2Kanefa misy izay tsy maintsy ho nofidiny aloha [1.38]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : fidina, fidiko, fidinao, fidiny, fidintsika, fidinay, fidinareo, fidin', fidin-, fidim-, fidi-
Ny lasa : nofidina, nofidiko, nofidinao, nofidiny, nofidintsika, nofidinay, nofidinareo, nofidin', nofidin-, nofidim-, nofidi-
Ny hoavy : hofidina, hofidiko, hofidinao, hofidiny, hofidintsika, hofidinay, hofidinareo, hofidin', hofidin-, hofidim-, hofidi-
Filaza mandidy : fidio

Teny iditra fidina (idina)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fomban' ny zavatra midina, izany hoe mandeha avy ambony ka milatsaka ambany: Ela loatra ny fidin' ny lasantsy [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Manière de descendre [1.3]
Haiendriteny 
Tsotra : fidina, fidiko, fidinao, fidiny, fidintsika, fidinay, fidinareo, fidin', fidin-, fidim-, fidi-, -pidina

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20