Teny iditra fidinana (idina)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Asa atao rehefa midina, izany hoe rehefa mankamin' ny toerana ivaiva kokoa: Mahasalama ny olona sasany ny fidinana any amoron-dranomasina. Sarotsarotra ny fidinana amin' itỳ fiara itỳ
¶ Lalana midina mitsontsorika mankamin' ny toerana ambany: Mitandrema tsara amin' ny fidinana fa malama ny lalana [Rajemisa 1985]
Fanazavàna teny frantsay L’action de descendre, la descente [Abinal 1888]
Ohatra 
1Mahafinaritra mihitsy ny hitaingina kalesy atsy amin' ny fidinana avara-tanàna. [Rakotozafy: Ratsimba]
2Ny ampitson' iny fidinana tany Ampangambe iny vao nanohy ny diany I Feno sy Donga. [Andraina: Mitaraina, takila 213]
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31