Teny iditra fieremana (erina)
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Araka ny voalazan' ny Baiboly dia heloka ny fieremana sy ny fitsiriritana. Ao amin' ny Didy Folo dia atao mitovy saranga amin' ny vonoana olona sy ny fijangajangana ary ny halatra izany ( Eks. 20. 13-17). Akana dia meloka tamin' izany, ka notoraham-bato ho faty ( Jos. 7. 16-26). Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia atao iray laharana ny fijangajangana sy ny fieremana ( 1 Kor. 5. 11; 6. 9, 10; Kol 3. 5; Efes. 5. 3). Avy amin' ny fampianaran' i Jesosy Kristy ny fampiraisana ny filaharan' ny fieremana amin' ny filan' ny nofo ( Mar. 7. 21, 22). Araka ny fampianarana nataon' i Jesosy tamin' ny Apostoly dia mitovy ihany ny fanaram-po amin' ny filan' ny nofo sy ny fanampoana an' i Mamôna. Ny Fiangonana Kristiana dia tokony handinika tsara ny fampianaran' ny Baiboly ny amin' ny fieremana, araka izay hita ao amin' ny Jer. 22. 17 ; Mik. 2. 2 ; Lio. 12. 15 ; Rom. 7. 7 ; Efes. 5. 3). 1 Tim 6. 10 ; Heb. 13. 5, ets. Ny mpierina dia tsy mba handova ny fanjakan' Andriamanitra. [Randzavola: Baiboly]
Ny bikany  
fieremana
fieremako
fieremanao
fieremany
fieremantsika
fieremanay
fieremanareo
fiereman'
fiereman-
fieremam-
fierema-
-pieremana
-pieremako
-pieremanao
-pieremany
-pieremantsika
-pieremanay
-pieremanareo
-piereman'
-piereman-
-pieremam-
-pierema-

Nohavaozina tamin' ny 2016/10/24