Teny iditra fihasinana (hasina)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Ny toerana na ny fombafomba isehoan' ny mpanjaka amin' ny vahoaka mba hanajan' ny olona azy sy hanaovany ny velirano hankato azy ary hanolorana azy ny hasina (volatsivaky) mariky ny maha-mpanjaka azy [1.10]
 Toerana nanamasinana ny Mpanjaka fahiny [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Lieu de la consécration, du couronnement [1.3]
Kamban-teny 

Teny iditra fihasinana (hasina)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fiolanana; fandrotsirotsiana [1.1]

Teny iditra Fihasinana
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Renivohitr' i Manandriana fahiny. Mbola betsaka ny aloalo hita any ankehitriny. Tao no nonenan' Andrianantara mpanjakan' i Manandriana sy Ramanato ilay mpamoron-tononkalo betsileo nalaza dia nalaza [1.10]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31