Teny iditra fihavanana (havana)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy fiombonana an-tsaina sy fo ary fanahy izay tsy voatery ho eo amin' ny olona manana rohim-pifandraisana araka ny ra ihany fa na dia eo amin' ny samy hafa fianakaviana sy fihaviana aza. Fifankatiavana lalim-paka nifamatoran' ny mpiaramonina teo anivon' ny ankohonana, fianakaviana, namana sy tapaka ary fokonolona: Tandrovy mandrakariva ny fihavanana fa ny maty aza te ho maro ~ Ny fitia mifamaly no mahatsara fihavanana [Akademia 2005 takila 384]
Fanazavàna teny anglisy blood relationship; friendship, comradeship [Hallanger 1973]
Fanazavàna teny frantsay lien de parenté [Rajemisa: Vakoka]
 parenté de sang; amitié, bonnes relations [Hallanger 1974]
Ohatra 
1Vao mitsidi-doha ny fihavanana, dia tapahin-doha ny havana! [Randriamamonjy: Ombalahibemaso]
2Ny fitandroana ny fihavanana no endri-panabeazana voalohany. [Razafiarivony: Harivolana]
3Fa izahay tsy hivezovezo fa ny fihavanana tokoa no nalehanay. [Razoharinoro: Soratra]
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2021/09/21