Teny iditra fihemorana (hemotra)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fitambotsorana, fanaovana dia mianotra: Efa nampoizina ny fihemoran' ny tafika teo anoloan' ireo fahavalo be fiadiana lavitra noho izy ireo
Fialana; Nahagaga ny olona rehetra ny fihemoran-dRakoto tamin' ny fifidianana
Fisintonana: Naharitra hateloana ny fihemoran' ny rano
Fihenana: Fihemoran' ny vidim-bary izao fararano izao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The act of drawing back; backsliding; a decline [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Recul, retrait; déchéance, déclin [1.8]
 Reculade [1.66]
Ohatra 
1Ny azo iantsoana ny "raharaha Daewoo" dia niafara tamin' ny fihemorana ankapobe teo amin' ireo antokon' olona roa voakasika. [4.27]
2Tonga ny mpampakatra sy ny mpaka, nefa sampona ny raharaha, ka fara fahatsarany, hahemotra aoriana, raha tsy ho fihemorana mandrakizay! [1.223]
Tohi-kevitra 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20