Teny iditra finganina (fingana)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Alavo amin' ny fainelezana ny tongotra eny ampandehanana na eny am-pihazakazahana: Nofinganin' Ikoto Isambilo ka nitrosina terỳ amin' ny tany
Anaovana ankasomparana; Nofinganiny tamin' ny hevitra maizimaizina ilay sakaizany ka tsy tafarina intsony tamin' ny raharahany [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : finganina, finganiko, finganinao, finganiny, finganintsika, finganinay, finganinareo, finganin', finganin-, finganim-, fingani-
Ny lasa : nofinganina, nofinganiko, nofinganinao, nofinganiny, nofinganintsika, nofinganinay, nofinganinareo, nofinganin', nofinganin-, nofinganim-, nofingani-
Ny hoavy : hofinganina, hofinganiko, hofinganinao, hofinganiny, hofinganintsika, hofinganinay, hofinganinareo, hofinganin', hofinganin-, hofinganim-, hofingani-
Filaza mandidy : fingano

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20