Teny iditra finoana (ino)
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   fandraisana sy fanekena amim-pahatokiana an' Andriamanitra sy ny teniny ary ny fotondrany; -- fanekena sy fitokiana ho marina ny zavatra ambaran' olona , na ny fampanantenana omeny; -- fanekena amim-pahatokiana zavatra tsy hita maso, na ara-panahy, na tsy takatry ny saina, na tsy hay porofoina, nefa tsaorana ho misy, na ho marina. -- Miasa amin' ny zavatra rehetra momba ny fiainana andavanandro ny finoana. Indraindray dia vokatry ny fahitana sy ny fahalalana ny zavatra efa niseho teo aloha izy... [Ravelojaona: Firaketana]
   Fitokiana izay voalazan' olona iray: [...]
¶ Herim-panahy mahatonga hino ny fisian-ja [...]
¶ Foto-kevitra iompanan' ny fivavahana ira [...] [tohiny Rajemisa 1985]
   fandraisana sy fankatoavana hevitra na zavatra iray tsy ilana porofo fa atao tanteraka amin'ny fo tsy misy fihambahambana [SLP: Voambolana]
Dikanteny anglisy   faith, belief [Richardson 1885, Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   la foi [Hallanger 1974]
Dikanteny frantsay   foi [SLP: Voambolana]
Ohatra   -Maha kely finoana ahy ny fahamarinany; [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 144]
Marina mafy tsy mahakelikely finoana amin' ny fiainana mihitsy izy ity! [Andraina: I Vola, takila 119]
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Nohavaozina tamin' ny 2015/04/25