Teny iditra fisidinana (sidina)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fiakarana eny amin'ny habakabaka: Nampihorika ny vahoaka ny fisidinan'ny aroplanina teo ambonin'ny tanàna.
Fandehanana haingana mitsoriaka: Loto nihazakazaka any atsimon-trano any ilay mpangalatra: tsy tra-maso ny fisidinany teo.
Fisondrotana ambony amin'ny fahaizana, voninahitra, harena...: Tsy mby tsy gaga amin'ny fisidinan-drakoto tamin'ny harena tato anatin'ny herintaona. [1.1]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20