Teny iditra | fitantana (tana) | |
Sokajin-teny | anarana na mpamaritra | |
Fanazavàna teny malagasy | Fomba entina mitantana na manohana olona mandeha amin'ny
fandraisana ny tanany eo ampamindrana miaraka amin'ny tena:
Toy izao no fitantana ny zaza.
Fomba entina mitantana, izany hoe mizara (vola, hena, vary, sakafo) amin'olona maromaro nandray anjara tamin'ny fandevenana na famadihana: Atoroy ahy ny fitantana ny hena fa tsy haiko. Azo tantanana. [1.1] | |
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |