Teny iditra fitsohana (fitsoka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Asiana, torahana, velezina: Nofitsohany tehamaina ny zanako ka tsy manaiky aho. / Nofitsohako vato ilay vorondolo ka maty terỳ
Angalarina: Nofitsohan' ilay karilahy ny akohoko dimy
Vitaina tsara, fatratra: Faly aho fa nofitsohany ilay asa nampanaoviko azy [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : fitsohana, fitsohako, fitsohanao, fitsohany, fitsohantsika, fitsohanay, fitsohanareo, fitsohan', fitsohan-, fitsoham-, fitsoha-
Ny lasa : nofitsohana, nofitsohako, nofitsohanao, nofitsohany, nofitsohantsika, nofitsohanay, nofitsohanareo, nofitsohan', nofitsohan-, nofitsoham-, nofitsoha-
Ny hoavy : hofitsohana, hofitsohako, hofitsohanao, hofitsohany, hofitsohantsika, hofitsohanay, hofitsohanareo, hofitsohan', hofitsohan-, hofitsoham-, hofitsoha-
Filaza mandidy : fitsohy
Tsipelina hafa 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20