Teny iditra foana
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Tsy misy na inona na inona ao anatin' ny, babangoana: Tanàna foana
¶ Tsy misy vidiny; tsy misy lanjany; maivana; tslnontsinona: Hevi-poana izany
¶ Heverina ho toy ny tsy misy antony, tsy azo ekena, tsy manana ny maha-ara-dalàna azy: Foana ny fangatahanao / Foana ny fanambadiany satria noterena razazavavy
¶ Very daholo, levona: Foana ny haren-dRakoto
Mitovy hevitra: Jifa ~ fongana ~ lany ~ majifa ~ tapitra
¶ Tsy tanteraka: Foana ny fikosako noho io loza tsy nampoizina io
¶ Tsy misy vokany: Manasatena foana ianao manao an' io fa tsy raharahain' ny ankizy akory
¶ Tsy an-kijanona: Miasa foana izy na marary aza [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy empty, void [Richardson 1885, Hallanger 1973]
 vain [Richardson 1885]
Famaritana frantsay vide [Abinal 1888, Hallanger 1974]
 vacant, vain, frivole, insignifiant, inutile, nul, épuisé, perdu [Abinal 1888]
Sampanteny 
Endriteny 
foana
-poana
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Mihomehimehy foana ialahy! [FOFAFIPE: Rosovola, takila 60]
2Miherikerika foana teo izy. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 30]
3Aza atao fotsy volo mitazam-poana. [Dahle: Angano, takila 241]
Teny nalaina 

Teny iditra foana
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Famaritana anglisy freely, foolishly, uselessly [Richardson 1885]

2017/04/06