Teny iditra fohy
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Tsy lava, kely: Fohy loatra ny akanjonao
¶ Tsy maharitra, mora tapitra: Fotoana fohy taorian' izay... [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy short [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay court [Abinal 1888, Hallanger 1974]
 bref, laconique, petit [Abinal 1888]
Sampanteny 
Teny mifanohi-kevitra 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1fotoana fohy taorian' izany, dia nahita asa izy. [Andraina: I Vola, takila 19]
2tsy maintsy hetezana fohy mantsy aloha ny volo, izay vao kolaina. [Andraina: Mitaraina, takila 109]
3fohy io zazalahy io (ce garçon est petit) [Abinal 1888, takila 179]
4fohy ny andro izao (les jours sont courts maintenant) [Abinal 1888, takila 179]
Teny nalaina 
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny fohy ity (1): Ambatofohy

Teny iditra fohy (foka)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny atao fohina [fitanisana]
Ohatra 
1fohy ny hanitr' ireo vonin-kazo ireo (humez le parfum de ces fleurs) [Abinal 1888, takila 181]
2fohy ny amoniaka (aspirez l’ammoniaque) [Abinal 1888, takila 181]

2015/04/09