Teny iditra garabola
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Ny lakilasy misy ny mpianatra madinika vao mianatra abidy [Rajemisa 1985]
 sekoly fibeazana fototra ianaran' ireo zaza vao miana-mandeha eo amin' ny fianarana: Manampy betsaka ny fanabeazana ny fampitaovana an' ireny garabola ireny [Akademia 2005]
Fandikana frantsay classe maternelle [Rajaonarimanana 1995]
Voambolana 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Mpanahaka  tongavola ~ rosovola ~ kingavola ~ haivola
Ohatra 
1Toraka izany ny mikasika ny fampianarana, manomboka amin’ny garabola ka hatrany amin’ny sampampianarana ambaratonga ambony [SeFaFi ]
2Sa amin' ny alalan' ny fiparitahan' ny sekoly tsy miankina tsy an' ny fiangonana, izay mirehareha fa manome fampianarana amin' ny teny frantsay tanteraka manomboka amin' ny kilasy garabola ka hatramin' ny kilasy famaranana? [SeFaFi , 2006/11/17]

Teny iditra Garabola
Sokajin-teny anarana (lohatenin' boky na teatira)
Mpanoratra FOFAFIPE
Fanontana 1992, 2000. Ambainy: 18cm. Haavony: 24cm. Takila: 96. Ministeran'ny Fampianarana Ambaratonga Faharoa sy Fanabeazana Fototra, Antananarivo.
Copyright MinESEB 2000
Voambolana 
Fanoritsoritana Boky famakianteny sy fanazaran-tsaina ho an' ny T1 (Kilasy faha-11)
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31