Teny iditra haba
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Firavaka mihorona boribory manodidina ny hatotanana. (Teny misy ifandraisana amin' ny haba: Hidivava, hosina, tsimikatona) [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy a large silver ring worn as an ornament round the arms. [Richardson 1885]
 a bracelet [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay bracelet fait d'une seule pièce [Abinal 1888]
 bracelet [Hallanger 1974]
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Ao ny nanome azy ranon-javatra hosotroina, ao ny nanome azy handroana, ao ny nanolotra karaza-menaka hihosorana, ao ny namatotra haba tamin' ny tanany na vakana tamin' ny vozony. [Andraina: Mitaraina, takila 201]
2Hividiananao haba volamena sy salovana. [Rajaonarivelo: Bina, takila 12]

Teny iditra haba
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Vola aloa ho hofantoerana (haban-tsena), na vola alaina amin' ny varotra eny an-tsena na mandalo ny toerana efa voadidy ho fakana izany. (Taloha raha tsy nanome vola ny tompon' entana, dia ny entam-barony mibitsy no angalana mba hatao baba: ohatra, ny rofia iray lanjana dia nakana iray singotra ho haba) [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy taxes or tribute paid to the sovereign as an acknowledgement of submission. [Richardson 1885]
Famaritana frantsay taxe imposée aux marchands des divers marchés, patente, octroi, péage [Abinal 1888]

Teny iditra haba
Sokajin-teny anarana
Famaritana anglisy  [Provincial] prov. for havana [Richardson 1885]

Teny iditra haba
Sokajin-teny tenim-piontanana [fitanisana]
Famaritana anglisy  [Provincial] an exclamation of admiration in seeing something that makes one laugh
¶ thank you; a word used after receiving a favour. Haba, tompoko e (thank you, sir) Comp. arahaba. [Richardson 1885]
Famaritana frantsay  [Tankarana] interjection, cri d'admiration qui prête à rire. [David 1952 (takila M)]
Kamban-teny, lohateny, anarana 

2017/03/10