Teny iditra hafatra
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Teny apetraka amin' olona iray mba hampitainy amin' ny olon-kafa iray: Lasa nitondra hafatra izy
¶ Torohevitra, didy, teny apetraka: Izao no hafatr' i Dada tamiko talohan' ny handehanany [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   a message [Richardson 1885, Hallanger 1973]
   a will, a testament, a request, an order for something. See didy. [Richardson 1885]
   a recommendation; an order for merchandise [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   message; recommandation; commande de marchandise [Abinal 1888, Hallanger 1974]
   commission [Abinal 1888]
Ohatra  
1fa izao no hafatra nataony: [Rabezandrina: Ikotofetsy, takila 37]
2Nifantoka mafy tao an-tsainy ny hafatra natao azy. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 72]
3Ary nametrahana hafatra koa ka milaza. [Andraina: Mitaraina, takila 154]
Sampanteny  
Ny bikany  
hafatra
hafatro
hafatrao
hafany
hafatsika
hafatray
hafatrareo
hafatr'
hafa-
hafatry
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  

Nohavaozina tamin' ny 2017/07/27