Teny iditra haitraitra (haitra)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Toetra na fihetsika atao noho ny fiangolangolana, fitadiavana hamalifaly, fanaovana ny sitrapon' ny tena, fa tsy noho ny antony iray mafonja akory: Haitraitra ihany no nanaovany izany fa tsy misy antony
Mitovy hevitra: aingitraingitra ~ angentsangentsana ~ angesongeso ~ angolangola ~ angotingoty ~ arana ~ hanta ratsy ~ hantahanta ~ lalampo ~ sarin-ditra ~ siasia ~ sitrapo ~ sotro rano antanam-bazo ~ tsingolavaitra ~ vaibaitra [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy self-willedness, forwardness, waywardness, whim, fancifulness. [Richardson 1885]
 whim, fancy [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay bizarrerie, fantaisie, caprice, humeur difficile [Abinal 1888]
 caprice, bizarrerie [Hallanger 1974]
Ohatra 
1Teraka teo anivon' ny Betsimisaraka aho, ka mahalala fa tsy haitraitra na halamoana no tsy mba itondrany akanjo lamba. [Andriamalala: Ranomasina, takila 30]
2Rahona be haitraitra! [Andriamalala: Zazavavindrano, takila 7]
Sampanteny 
Teny mitovy hevitra angetsangetsana ~ filatro
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Teny nalaina 

2013/12/03