Teny iditra halan' ny vitsika ny siramamy
Singan-teny hala ; vitsika ; siramamy
Sokajin-teny kambanteny
Fanazavàna teny malagasy Toy ny miova hevitra ho fitiavana eto ny teny hoe hala satria ny fitiavan' ny vitsika ny siramamy no lazaina, saingy ny nalehan' ny sain' ny Malagasy raha niteny io izy dia azo lazaina fa ny fitiavan' ny vitsika hanimba ny siramamy na handevona azy (toy izany koa, ohatra, ny hoe: Halam-baratra itỳ toerana itỳ) [1.1]

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/23