Teny iditra halavaina (lava)
Sokajin-teny   matoantenin'ny atao
Famaritana malagasy   Atao tonga lavalava kokoa, tovanana: Halavao ny akanjonao fa fohy dia fohy loatra
¶ Tohizina: Nohalavaina ny arabe mankany Ananona
¶ Atao maharitraritra kokoa: Tsy ho azo halavaina intsony ny fetr' andro handoavanao ity trosa [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   to be made long or longer [Richardson 1885]
   to be lengthened, to be extended [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   qu'on allonge, qu'on prolonge [Hallanger 1974]
Ohatra   Mazàna no halavaina ny fifampiarahabana, mba hifanontaniana ny fahasalamana, ets. [Randzavola: Baiboly, takila 34]
Ny bikany  
halavaina
halavaiko
halavainao
halavainy
halavaintsika
halavainay
halavainareo
halavain'
halavain-
halavaim-
halavai-
nohalavaina
nohalavaiko
nohalavainao
nohalavainy
nohalavaintsika
nohalavainay
nohalavainareo
nohalavain'
nohalavain-
nohalavaim-
nohalavai-
hohalavaina
hohalavaiko
hohalavainao
hohalavainy
hohalavaintsika
hohalavainay
hohalavainareo
hohalavain'
hohalavain-
hohalavaim-
hohalavai-
halavao

Teny iditra Halavaina (lava)
Sokajin-teny   anaran-tsamirery (haitany) [firaketana]
Voambolana  
Haianarantany   lava
Sary  

Nohavaozina tamin' ny 2014/01/09