Teny iditra hamarinina (marina (arina))
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Atao izay hahamarina azy: Hamarinina aloha ny tany vao manorina trano
Fotopotorana ny fahamarinany: Hamarino kely ny famerim-bola nomeko anao [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on prouve [1.3, 1.107]
 Qu'on vérifie [1.3, 1.5]
 Qu'on met d'aplomb, de niveau, qu'on redresse, qu'on corrige, qu'on justifie [1.3]
Ohatra 
1Tsy azonareo hamarinina izay lazainareo (Vous ne pouvez pas prouver ce que vous dites) [1.3]
2Hamarinin’ Andriamanitra izay manompo Azy (Dieu justifie ceux qui le servent) [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : hamarinina, hamariniko, hamarininao, hamarininy, hamarinintsika, hamarininay, hamarininareo, hamarinin', hamarinin-, hamarinim-, hamarini-
Ny lasa : nohamarinina, nohamariniko, nohamarininao, nohamarininy, nohamarinintsika, nohamarininay, nohamarininareo, nohamarinin', nohamarinin-, nohamarinim-, nohamarini-
Ny hoavy : hohamarinina, hohamariniko, hohamarininao, hohamarininy, hohamarinintsika, hohamarininay, hohamarininareo, hohamarinin', hohamarinin-, hohamarinim-, hohamarini-
Filaza mandidy : hamarino

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20