Teny iditra hanina (hana)
Sokajin-teny matoanteny mpamaritra
Famaritana malagasy Tsakoina dia atelina: Hano ny varinao [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to be eaten, to be devoured, to be consumed. [Fiji kana; Mal. makan; Tagala kain; Battak pahan.] see hinana, homana. [Richardson 1885]
 to be eaten; cf. hìnana; [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay qu'on mange [Abinal 1888, Hallanger 1974]
Ohatra 
1Nohanin' ny saka ny hena (Le chat a mangé la viande) [Abinal 1888]
2Tsy hohaniko io (Je ne mangerai pas cela) [Abinal 1888]
3Ny hanina ho hanina, iny no asiana ody; [Callet: Tantara, takila 110]
4Maniry hanina an-tenda toa amboa miambozon-koditra. [Rakotozafy: Ratsimba]
Endriteny 
hanina
haniko
haninao
haniny
hanintsika
haninay
haninareo
hanin'
hanin-
hanim-
hani-
nohanina
nohaniko
nohaninao
nohaniny
nohanintsika
nohaninay
nohaninareo
nohanin'
nohanin-
nohanim-
nohani-
hohanina
hohaniko
hohaninao
hohaniny
hohanintsika
hohaninay
hohaninareo
hohanin'
hohanin-
hohanim-
hohani-
hano

Teny iditra hanina
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Sakafo, nahandro: Tsy mbola azo omena hanina ity marary
¶ Lanina: Nohanin' itay karilahy iny fotsiny ny volako,
Mitovy hevitra: angaredona ~ fahana ~ fanasana ~ fialemana ~ fibobohana ~ fihinanam-be ~ filerana ~ fo tsy aritra ~ halemana ~ kabaka ~ nahandro ~ odiam-bavafo ~ odilolo ~ sakafo ~ sakafo ambany foitra ~ sakafo maivana ~ sakafo sikina ~ sakafom-borondolo ~ sakafon-tsorohitra ~ tsakitsaky ~ tsakotsako ~ tsindrin-tsakafo ~ vatsy ~ vonjy fo [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy food, victuals, viands, nourishment [Richardson 1885]
 food, nourishment [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay nourriture, vivres [Abinal 1888, Hallanger 1974]
 aliments [Abinal 1888]
Ohatra 
1Tsy mahalatsaka hanina ny marary (Le malade est incapable de prendre de la nourriture) [Abinal 1888]
2Tsy azo omen-kanina ny marary (Il ne faut pas donner à manger au malade, il faut le mettre à la diète) [Abinal 1888]
Sampanteny 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Teny nalaina 
Lahatsoratra 
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny hanina ity (1): Hanimbe
Fifanahafana  otrikanina

Teny iditra hanina
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fahatsiarovana arahin' alahelo, embona: Ny hanina ny havana any lavitra [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy longing, eager desire, affection; regret. [Richardson 1885]
 longing, regret [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay regret, chagrin causé par la perte ou l'éloignement de ce qu'on aime [Abinal 1888]
 regret causé par l'éloignement [Hallanger 1974]
Voambolana 
Sampanteny 
Kamban-teny, lohateny, anarana 

Teny iditra hañina
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy  [Sihanaka] rivotra [Rakotosaona 1972]
Voambolana 

2017/08/12