Teny iditra hantahanta (hanta)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Angolangola na fihetsika somary amboamboarina raha mangata-javatra noho ny fitokiana fitiavana; fiangaviana na fitarainana hahazoana zavatra na hahazoana manao ny sitraky ny fo noho ny fitokiana fitiavana; fanaovana angolangola hahazoana tombom-pitia: Tokony ho voafefin' ny fanajana mandrakariva ny hantahanton' ny ankizy. [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay [duplicatif fréquentatif] [Abinal 1888]
Teny mitovy hevitra hanta
Ohatra 
1Mahatsiaro ny hantahanta fanaoko, ry zareo; [Rabemolaly: Fary, takila 138]
2Andry koa re ka lavo, hantahanta aiza intsony! [Rabearivelo: Alahelo]
3Nekeko io hantahanta keliny io satria izy koa no mba tiako hifidy izay sora-damba ho ahy. [Randriamiadanarivo: Sikajy, takila 106]

2017/04/06