Teny iditra hasarotana (sarotra)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Toetran' ny zavatra sarotra: Tsy anerany ny hasarotan' ilay asa nomenao ahy
Halafosana: Iaraha-mahalala ny hasarotan' ny fiainana amin' izao fotoana izao
Fahihirana: Hasarotan' izay lahiantitra re izany! Aleony sempotra miakatra amin' io fiakara-mideza io toy izay lany vola hakana fiarokaretsaka
Hatendan-kanina: Loza ny hasarotan' io tovovavy io fa tsy mitsaha-mitsako ny vavany [1.1]
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05