Teny iditra havokavoka
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Taova anankiroa, havia sy havanana, ao anaty tratra, mifono ao anaty kitapo roa sosona atao hoe plevra, ka fiafaran' ny fitaovam-piaina. (Entin' ny traokabe, izay mizarazara ho zana-traoka eo am-pidirana amin' ny havokavoka, ny rivotra ka miafara any amin' ny kitapon-drivotra kely an' analinaliny; ao anatin' ireo kitapon-drivotra kely ireo no mifandray ny mpanelira madinika sy ny mpamerindra madiniky ny havokavoka, ka ny ra mena mainty entin' irery voalohany, mivesatra gaza karbonika, dia miova ho mena midorehitra noho ny oksizenan' ny rivotra, ka dia entin' iretsy faharoa kosa indray any amin' ny fo) [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy the lungs, the lights. [Richardson 1885]
Famaritana frantsay poumons [Rajaonarimanana 1995]
Voambolana 

Teny iditra havokavoka
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Kapoka mandrivorivo, fikapohana na famelezana mafy tsy misy indrafo. [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy flogging, beating, striking. See kapoka, vely. [Richardson 1885]
Sampanteny 

Teny iditra havokavoka (havoka)
Sokajin-teny anarana
Sampanteny 
Mpanahaka  volo/colors/couleurs

2011/04/13