Teny iditra hery
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Tanjaka: Mahazendana ny herin' io lehilahy io fa voatariny amin' ny tanana ila ny fiarakodia
¶ Fahefana: Manan-kery lehibe io fanjakana io
¶ Hafanam-po, fanamparan-tanjaka: Alao hery, rankizy, ny fianarana ~ Manao an-keriny
¶ Asa, vokatra: Manan-kery mety hahasitrana ity zavamaniry ity ~ Nisy heriny tokoa ny fivavahana nataonareo
¶ Ambiny: Asio heriny kely ny karamako fa nitombo betsaka ny asa tamin' ito
¶ Hany zavatra azo natao: Tsy hitako izay hatao, ka heriko nivoaka [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   strength, force, power [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   force, puissance [Hallanger 1974]
Ohatra  
1Nampahazo hery ahy izany fiheverana mafonja izany. [Andraina: I Vola, takila 56]
2Ny hery tsy mahateo ny fanahy. [Rahajarizafy: Filozofia, takila 41]
3Tohana sy hery ho an-dRadama ireo. [Randriamamonjy: Tantara, takila 496]
4Ao ny masoko mijery afaka hamindra hery. [Andriamanantena: Fahafahana]
Sampanteny  
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  
Lahatsoratra  

Teny iditra hery
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Anarana ilazana ankapobeny ireo zavamaniry misy tsilotsilony, toy ny havoatra, angivy [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay   nom de plusieurs plantes à piquants. Comme angivy [Abinal 1888]
Voambolana  
Fitovian-keviteny   angivy ~ roingivy ~ voangivy

Teny iditra hery
Sokajin-teny   Tsy lazaina
Famaritana malagasy   Fandefasana fivalanana [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay   [Abinal 1888]
Sampanteny  

Teny iditra hery
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   fiverenana [Antesaka] [Rakotosaona 1972]
Sampanteny  

Nohavaozina tamin' ny 2017/07/25