Teny iditra hoe
Sokajin-teny   tambinteny [firaketana]
Famaritana malagasy   Toy izao, sahala amin' izao (fanao eo alohan' ny tenin' olona iray izay averina araka ny nitenenany azy): Dia niteny indrindra Andrianampoinimerina nanao hoe "ny ranomasina no valamparihiko" ~ Lazao aminy hoe "Tonga i dadanay" ~ Mba tiako ilay hira manao hoe: Ry tanindrazanay malala ò!
¶ Teny kely entina miangavy na mandidy, ary mety hifono hevitra fihantsiana na fahatezerana arakaraka ny feo ilazana azy: Mitsambikina hoe hahitana ny fahaizan' Ingahy! ~ Aiza hoe mba hojereko
¶ Marina ve? Namidiny hoe ny tranony tetsy Ambondrona [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   used before quotations [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   ainsi, comme ceci, dans ces termes, de cette manière, ainsi conçu, dit ainsi
¶ mot explétif servant à donner la forme polie ou respectueuse à l'impératif, et pouvant indiquer parfois le défi, la colère, selon le contexte ou le ton
¶ quoi? est-il vrai? [Abinal 1888]
   se met devant les citations [Hallanger 1974]
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Teny iditra hoe (hoy)
Sokajin-teny   filaza mandidin' ny matoantenin'ny atao hoy [firaketana]
Famaritana frantsay   impératif de hoy [Abinal 1888]
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Teny iditra hoe
Sokajin-teny   anarana na matoanteny
Famaritana anglisy   angady kely mitarehina famaky ka tsy atsatoka fa akapoka
¶ (to hoe) miasa tany amin' ny hoe [Hallanger 1969]

Nohavaozina tamin' ny 2012/12/20