Teny iditra hono
Sokajin-teny matoanteny mpamaritra
Famaritana malagasy Teny atao eny afovoan' ny teny lazaina na mamarana azy ka enti-milaza fa mpamerina fotsiny izay voalaza ny tena ary tsy tompon' antoka amin' ny fahamarinany: Manavy, hono, Rakoto, ka tsy tonga niasa [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy they say [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay on dit [Abinal 1888, Hallanger 1974]
 dit-on [Abinal 1888]
Sampanteny 
Ohatra 
1Iza avy, hono, no mba ory? [Rabemolaly: Fary, takila 69]
2dia gaga, hono, izy roa vavy. [Rabezandrina: Ikotofetsy, takila 37]
3Avy any Arabia, hono, ny fiaviany. [FOFAFIPE: Rosovola, takila 112]
4Izany Iarivo izany, hono, ka malama maina. [Rajaonarivelo: Bina, takila 18]

2017/03/22