Teny iditra horaka
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   [Bezanozano, Tambahoaka] tanimbary [Rakotosaona 1972]
   Tanimbary be rano eny andemaka izay tsy mila hitaritana rano intsony hanondrahana azy (Mifanohitra aminy: sakamaina, tavy) [Rajemisa 1985]
   tany tsy afa-drano azo volena [SLP: Voambolana]
Famaritana anglisy   [Provincial] a ricefield [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   rizières, terrains marécageux, humides [Abinal 1888]
   [Provincial] a rizière [Hallanger 1974]
Famaritana frantsay   marécage, marais; sol hydromorphe [SLP: Voambolana]
Ohatra   Ao ambany avaratra horaka feno kotro sy ahitra lava, ary ny tamotamo no mameno any. [Rajohanesa: Kintana]
Voambolana  
Sampanteny  
Haianarantany   Anaran-toerana misy ity teny horaka ity (1): Ambalahoraka
Fifanahafana   heniheny ~ honahona ~ zetra

Teny iditra horaka
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Feo manao rodobe mitory fihorehana na figagana na horakoraka na fiarahabana na fanesoana koa aza: Tsy nifandrenesana ny hora-pifalian' ny vahoaka
¶ Feon' ny sahona: Horaka no an' ny sahona fa ny tsiboboka ihany no tompon' ny rano [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   the cries of a crowd [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   cris d’étonnement, d’admiration, de surprise, de félicitation, de répulsion, de rébellion
¶ coassement des grenouilles [Abinal 1888]
   les cris d'une foule [Hallanger 1974]
Voambolana  
Sampanteny  
Fitovian-keviteny   horakoraka

Teny iditra horaka
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Fahalahelovana noho ny fahitana olona ory na mijaly; fahatsiarovana ny tena ho malahelo amin' ny fahitana ny ory na mijaly [Rajemisa 1985]
Ohatra   Torotoron'ny latsa ny foko, ka marary aho, miandry horaka, fa tsy nisy; [Baiboly: 23:069:021/Salamo 69:21..]
Sampanteny  
Fitovian-keviteny   horakoraka

Teny iditra horàka
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   Mena [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay   écarlate, vermillion [Abinal 1888]
Sampanteny  
Tsanganana sy sary iray takila   Ny Loko

Teny iditra horaka
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   [Tanosy] zohy, lavabato [Rakotosaona 1972]

2017/04/25