Teny iditra horita
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Biby maro tanana any anaty ranomasina izay malaza ho mpitsentsitra ny ran' ny haza azony [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay [ orita ] pieuvre [SLP 1986]
Voambolana 

Teny iditra horita
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Olona fatra-pitsentsitra ny madinika [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay [ orita ] bourgeois [SLP 1986]

Teny iditra Horita
Sokajin-teny anaran-tsamirery (ara-baiboly) [fitanisana]
Famaritana malagasy mponina teo amin' ny tendrombohitra Hora, na Seira, ary natao ho naman' ny Emima sy ny Refaita koa izy. Nonina tamin' ny lava-bato izy ireny; ary ny dikan' ny teny hoe Horita dia "mponina an-dava-bato". Maro ny lava-bato any amin' ny tendrombohitra any Edoma, indrindra any Petra renivohiny. Angamba nifangaroharo tamin' ny taranak' i Esao, izay nandresy azy izy, ka ao amin' ny fitantarana sasany dia niaraka voalaza tamin' ny taranak' i Esao izy. [Randzavola: Baiboly takila 399]
Ohatra ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seira hatrany El-parana, izay eo anilan'ny efitra. [Baiboly: 1:014:006/Genesisy 14:6..]

Teny iditra Horita
Sokajin-teny anaran-tsamirery (ara-baiboly) [fitanisana]
Famaritana anglisy Horites [Baiboly]
Famaritana frantsay Horites [Baiboly]
Voambolana 
Teny mitovy hevitra Horeana
Teny nalaina 

2015/09/07