Teny iditra hotohoto (hoto)
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Potipotika, rotidrotika: Nataon' ny saka hotohoto ny akanjokelin-janako
¶ Rovidrovitra, voarotika: Hotohoto ny tarehin' ilay kely fa tsy niantran' ilay lehibe mihitsy, hono [Rajemisa 1985]
Sampanteny 
Teny mitovy hevitra hoto

Teny iditra hotohoto
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy  [Bara] korontana amin'ny tany sy fanjakana [Rakotosaona 1972]

Teny iditra hôtohôto
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy  [Betsimisaraka] poti-drofia madinika sisan'ny natohin'ny mpanenona [Rakotosaona 1972]

2010/10/07